You are here: home > Vetso

Alok'ilay olona... - Andrimaranitra

Azo vakiana?

Alok’ilay olona...

Anaty masonao isan’andro
Ilay olona nofinidinao
Tsinjoko fa tsy izaho anefa izany
Satria toy ny namosaviany ianao ka toy ny tsy eto an-tany
Mba noheveriko fa izaho ilay masoandronao
Mampitsiky anao mandavan’andro
Nefa ianao manoroka ahy aza fanahinianao hatrany

Fony tsapako
Fa nisy fanahy hafa mitoetra am-ponao
Satria isak’alina lava izao aho tsembo-dratsy
Tsy matory miady amin’ity devoly lava fantsy
Tsy iza izany fa ilay olona tena tianao
Nahavitanao nihafy nanambady ny lapako
Nefa izy no ijoroanao tsy hamonoanao tena amin’ny antsy

Sokajy : Alahelo, embona

Hametraka hevitra

Midira aloha