Tsy maty fa matory - Andrimaranitra
Azo vakiana?
TSY MATY FA MATORY
1) Bakoly Vady Malalako
Ny Fonao mitempo tsy miato an-tratrako
Ny Fanahinao no anto-piainan'ny vatako
Ilazako fa tsy maty Ianao fa matory
Izaho aza mbola tsy nisaona Anao akory.
2) Bakoly Malala Renin-janako
Na ory aza aho, ireo zanatsika no Harena sy fananako
Tsinjoko foana ny tsikinaon dia i Sariaka re izany Rahavako
Tsoriko tokoa fa tsy maty Ianao fa matory
Ny hanitrao aza mbola tsy afaka eo am-pandriana akory.
3) Bakoly Fitiavako sy Namako
Nahafoy ny ainao Ianao noho Izaho nahafoy ireo akamako
Rehefa mahita ny havanao aho dia toy ny hafanain'ny tananao foana ny tanako.
Tsy maty Ianao tsinona fa matory
Mbola hifoha miaraka Aminao aho rehefa hiala ity tany boribory.
SAMBATRA - 18 Martsa 2011 - 9 ora sy 45 mn alina
Mombamomba
Mpanoratra : Andrimaranitra
Nampiditra : andrysecabiDaty : 19/03/2011
Mpamangy : 2518
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
Ny orokao mamyVelona foana Izy
Alok'ilay olona...
Alok’ilay olona
Toy ny...
Toy…
Aleoko ho nofy
Haitso Haitso fofon'aiko
Haitso Haitso fofon'aiko
Mahery ny fitiavan'i Jesoa