Mahery ny fitiavan'i Jesoa (Andrimaranitra)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mahery ny fitiavan'i Jesoa

Raha ny ranomasina no horefesina
Na an-tapitrisan-taona maro aza tsy ho vita
Mbola mahery noho izany ny fitiavan'i Jesoa izay lesona
Na mandrakizay aza ny fahendreny no hotovozina tsy ritra

Raha ny faran'ny lanitra no hokatsahina
Na fitaovana faran'izay lafatra aza tsy hahatratra
Mbola mahery noho izany ny fitiavan'i Jesoa tsara arahina
Na mandrakizay aza ny fahazavany tsy haràtra

Raha ny kintan'ny alina no isaina
Na iharetan-tory avokoa tsy ho ampy ny alina rehetra
Mbola tsy voatanisa noho izany ny fitiavan'i Jesoa manome aina
Na mandrakizay aza ny fairapiratany tsy hisy fetra

Raha ny hakanton'ny karazan'ny zava-boary no jerena
Manomboka amin'ny vaventy ka hatramin'ny bitika, maro loatra
Mbola tsy voatanisa noho izany ny fitiavan'i Jesoa tsy hay fefena
Mandrakizay ny hatsaram-pony mampisaotra

Réf : Raha mifandimby ny taranaka
Mahery ny fitiavan'i Jesoa
Raha mivaly amintsika ny vavaka
Mahery ny fitiavan'i Jesoa
Raha resy ny fahafatesana
Mahery ny fitiavan'i Jesoa
Matoa ny fitiavana foana no imatimatesana
Mahery ny fitiavan'i Jesoa
--------
Rohy:
2575 3
Hevitra mandeha
karako ( 07/09/2007 16:52)
marina izany eee
Andrimaranitra ( 29/05/2023 21:55)
Mankatelina tompoko
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.102