You are here: home > Vetso

Mitady ilay sakaiza - ANL MIKALO

Vao nifoha ny maraina
Tsy hita hoe makaiza
Fa velombelon'aina
Ndeha hitady ilay sakaiza
.
Mirenireny foana
Hitady ilay tiana
Sahy manary fotoana
Te higogo ny hafaliana
.
Tsy sasatra ny manontany
Hoe aiza foana ianao
No mbola tsy hitako ihany
Ny soritr'endrikao
.
Tsy sasatra ny mihaino
Ny ao an_tsofiko ao
Te ihaino ilay haingo
Ny fibitsikin'ny feonao
.
Tsy sasatra ny mitempo
Ny ao am_poko ao
Toa lasa foana ny sento
Te ahita ilay fitia ao

Sokajy : Fitiavana

Hametraka hevitra

Midira aloha