Pesta Mampiova Fo (Ari Ira)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
fako eran' ny arabe sy ny lakan-drano taza-maso;
ny mponina efa miha-voretra ny savony koa miha-lafo,
ny tonta toa tsy taka-bidy nefa ny voalavo miaka-dapa;
ny hanin-kohanina aza tsy hita koa iza indray no hiompy saka?


Dia nihombo ilay aretina; fito amby efa-polo maty,
ilay aretina noheverina hoe efa tena lany daty,
ilay aretin'ny mahantra hoy ny mpanabantibanty,
ilay aretina maha-menatra nefa izao mirantiranty.

Nefa io aretina io ihany tamin'izany andro izany
no nampitsahatra ady iray nanan-daza eran-tany,
sy fanenjehana mivay ireo Jiosy izay nandalo...

Ka sao mba izy io ihany, rehefa nihanaka avy tany
no nanadio izay nolalovany sy ny rano izay nitàny,
ka niteraka tsy satry ny fiovam_pon'ireo Dahalo ????
--------
Rohy:
Sokajy : Tanindrazana - fiainana
1260 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0142