Mitenena raha mbola tia (Ari Ira)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Adin’ombalahin’ny mpianakavy,

Ny resy tsy hakoraina….



Tsy toy ny ady an-tranon’ny mpivady

vao mipoitra ny maraina.

Fa ny resy no mpandresy

ary izay mpandresy resy.

Faribolana ny fiainana

fifangaroana tokana;

ianao no izaho

izaho anefa izy.



Tsy henatra ny faharesena

ny hoe tia tsy fahalemena.

Fa ekeo ny fahalavoana;

Raha te-handresy, mivonona!!!

Aza dia mamita-tena:

tsy lemy ho’aho ny fanekena

ary tsy endrik’habadoana

ka ny fitia aza vonoina.

Sao hodimandry indray ny mena

vao ny mainty no antsoina.







Tsy tokana ny tokana

raha tsy eo ny maro…

ary tsy afaka hiontana

raha tsy mifangaro!!!

Fa tokana ny maro

ary marobe ny tokana

tsy mba hisy tsiaro

raha isan’andro valy bontana

no re raha njay mandalo

ilay rahona bolongana!!!



Ary ny omby indray mandry

Tsy voatery ho indray mifoha.

Ny hevitra natao ho andry

tsy ary hitovy avokoa.

Ny ao anaty lohako ao

tsy toy izay anaty sainao;

ny eritreritro misoko

ny fitia anaty foko

tsy misy toy ny anao izany.

K’aza mitsara ambony ihany

Fa jereo ny lohateny….
--------
Rohy:
Sokajy : Ady
1490 1
Mpakafy: absolu
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0144