You are here: home > Vetso

ALINA MANGINA (anaran’ny tadidiko) - Ari Ira



Tsiaro ilay Tiana
no manao be fisesika anatin’ny foko.
Tiana ny Tsiaro
fa tonga Mampionona
ahy sy ny Finoako.

K’anaovako Tsanta
hananganako Rova
Mahefa, na- Niry  ilay tsiaro,
ny anaran’ny tiako
nahabe fahoriana
no eo mifangaro.

Ary ananako Zo
ny hanana endrika Mirana
handefa vinany.
F’ireo Felantsoa
ireo no nahajilajilana
an’ahy tamin’izany….



Ari Ira,

24 Septambra 2015 tamin’ny 1O ora sasany alina,
Ambohitrarahaba

Sokajy : Fitiavana