Kalo ho fanomezana (Ari Ira)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny halefaky ny feonao
teo am-pisoronana ilay afon'anjavidy,
niantsa tononkalo,
no nandrakitra ho tadidy
iny tolakandro iny...
Hitoetra fa tsy handalo!!!

Mantsy aho raha mbola revo
nitanina afo teo,
niondrika tao ambany,
no injany nisy kalo
tena tsara feo
nanako tany ho any
ka nanaitra ny fanahiko...

Dia natrakako ny lohako
hitazana hoe mba iza ary
izany tovovavy izany!
Izaho rahateo irery
ka tsy afa-nanontany!
Saingy niredareda loatra ilay afon'anjavidy ka nanakana ahy tsy hahita ny salovan'endrikao...
Hany fiononako nibanjina ity bika, tanaty akanjo maintinao...
... sy nankafy ny tononkalo...

Fa tampoka teo nandalo,
ilay mpisorona an'kiray
hisinda kely fa hoe may.
Hay kay izahay mpifankafantatra
K'inty izy nilomay
Avy dia nanatona ahy!

Izaho tsy mbola te-hitafa
satria tsaroako lasalasa any aminao ny ambiroako...
ka teny kely vitsy ihany tam'ireo izay nolazainy no mba nisy nohenoiko!

Ny antsanao nifarana no nanokatra ny masoko sy nampody ahy ho ety an-tany...
Vao tafidina aho anefa dia avy hatrany nanontany:
Mba iza loatra ho'aho lehiroa izany tovovavy izany?
Fa na ny feony aza, manambara ny hatsarĂ ny!

Izy namaly ahy tanaty fihomehezana
Hoe izany feo izany ilay kalo ho fanomezana!
--------
Rohy:
1067 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0146