Poety Bado (Ari Ira)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Poety bado ialahy,
tsy mendrika ho vakiana,
satria raha zohina;
d'izay mba hoe fanahy
tokony ho azy ireny.
Entiny hanefeny
ny mpiara-belona aminy,
tsy hita amin'ialahy.

Poety bado ialahy
tsy mendrika ho jerena
satria ny Firenena
izay miandrandra an'ialahy
mila soratra voakajy
tsy mba vitavita ho azy
mila Soratra Fanahy
tsy mba toy ny an'ialahy.

Tsy poety ialahy,
raha ny diniky ny maro
satria rehefa nafangaro
dia hita fa tsiparifary ialahy.
Tsy poety ialahy
fa mpanoratsora-poana
Tononkalo moana
no mba voasoratr'ialahy!!

Tsy Poety ialahy
fa mpanoratsora-poana...
--------
Rohy:
Sokajy : ahy
1177 1
Mpakafy: winner
Hevitra mandeha
Skual.R ( 28/11/2014 15:42)
Misy zavatra tiako ao anatiny :)
Arofanina ( 03/04/2015 14:19)
Mavesa-danja ilay hafatra!
Mankasitraka e!
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0137