tsy maninona fa... (Ari Ira)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy maninona fa ho ekeko ny fanapahan-kevitrao,
na hoy ianao hoe aok'izao na tsy maninona f'andao;
izay tonga eo dia hitsikiko na mangidy aza ry tiako
fa ny fahasambaranao no tena hany fifaliako....

Tsy maninona fa ho zariko ny foko hahay hanaiky zava-misy,
ka ho ekeko tsy hisy tohitra, tsy ho tovanako hoe indrisy
ny safidin'ny fonao miredareda anatinao....
aza be fisalasala fa izay hahasoa anao hatao.

Tsy maninona fa hiezaka aho hamoy ny lasantsika roa
raha sanatria tsy hitohy fa ho tinapaka tokoa
ity tantara nahasondriana izany foko tena liana,
tsy maninona f'ho atsahatro ny tsiaro anao mangina....

Aza ny ranomasonao no atao mijininika
tso-drano ho ahy ve io sa rano handemana ny vita?
aok'izay ny fendrofendro, ny ho avy no andeha jerena;
fa na izaho na izy tsy maninona f'ho ekena.....
--------
Rohy:
Sokajy : Fiononana - Fisarahana
1781 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.014