Tsy poety bado aho fa mpanoratra mahay (Ari Ira)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy poety aho fa mpanoratra,
mpitrandraka gramera
mpanambatambatra litera;
ny tendrombohitr'asa soratro
tsy ho vitan'iza hazera.

Tsy talenta fa fahaizana.
Tsy avy ao am-po fa haren-tsaina.
Tsy tonga ho azy fa nikelazako aina.
Tsy ho fialam-boly, tsy ho famaizana.


Izaho ve?

Ilay mpanoratsora-poana,
ilay foana nosoratako,
ilay nosoratako ka nisy,
ilay nisy ka nahazo nofo,
ilay nofo ka nombam-panahy,
fanahy ka sarotra takarina,
raha takarina mahafanina.


Ny tonokaloko ve?

Ilay tononkalo moana,
ilay moana be mpandre,
ilay be mpandre ka be mpahalala,
ka zary maro mpankahala,
ilay mpankahala mpanaratsy,
mpanaratsy izay tsara,
izay tsara toy ny soratro.

Poety bado aho ve sa mpanoratra mahay?
fa fahaizana toa inona no ilain'ireo poety,
ary habadoana toy ny ahoana no itsarĂ na hoe tsy mety?

Dia antsain'ialahy ny soratro,
hanasoa ny mpiara-belona,
mpiara-belona domelina...

Dia ilain'ialahy ny soratro,
hampandroso firenena,
firenena mahonena...

Disoiko eto hivarina
ilay lazain'ialahy fa marina;
hoe tsy ho kanto velively...

... raha tsy soratra manely
soa ho an'ny mpiara-belona,
ny mpiara-belona domelina..


... hoe tsy mendrika ho kaloina
raha tsy hitondra fandrosoana,
na soa ho an'ny firenena..

Tsy mpanoratra aho fa poety,
ka na mety na tsy mety,
izay tiako no soratako...
--------
Rohy:
Sokajy : Hambom-po - ahy - Aingam-panahy
1222 1
Mpakafy: winner
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0148