MIALA TSINY INDRINDRA (Baraingo Valo)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Aza lany andro mandresy lahatra ahy
Fa tsy hiaraka aminao na oviana aho ry tovolahy
Na dia hisy godom-baratra sy horohoron-tany
Na hobobohanao karazan-teny mamy
Na dia hainao tokoa ny mody mitomany
Ny hany valin-teniko dia TSIA foana hatràny!

Tsy hiaraka aminao aho na oviana na oviana
Na tambazanao harena sy kintana miraraka.
Efa fantatrao f'izaho dia manan-tiana
Koa amin'ny fomba ahoana àry no ahafahantsika roa miaraka?

Tena sarotra amiko ny hanome anao ny tànako
Efa an'olona ny foko ka tsy tiako intsony afindra.
Koa meteza foana ihany hijanona ho namako
Fa tsy afaka manaiky aho. Tena miala tsiny indrindra!

Baraingo Valo
Marsa 2019
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
992 1
Mpakafy: Eliasy
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0146