TAO ANATY HAIZINA (Baraingo Valo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Valaka fotsiny ny aho ny mandrehitra jiro
Fa tsy mety mahita izany hazavana,
Noho ity fiainako tsy mety matsiro
Fiainana haolo ka tsy mahatamana.

Mitombo isan'andro ny ady sedraina
Ka mila tsy ho zakan'ny lohako intsony,
Kely ny sisa dia harary saina
Sy ho bokan'ny aretina tsy mety mitony.

Ny fiainana mihitsy va re no mangidy!
Sa dia izaho mihitsy no nateraka hijaly?
Raha ny tenako izao no nomena safidy
Dia naleoko mihitsy angamba tsy ary...

Tsy zakako intsony izany fijaliako
Feno mangidy sy fanaintainana.
Tsisy dikany akory ny antom-pisiako
Raha fotsiny hiady amin' ny onjam-piainana!

Ka aleoko ry havana misotro poizina
Aleo ho faranako hatreo ny tantara!
Toy izay mbola hiharitra sy hidongizina
Hizaka ny faitra sy ngidin'ny anjara...

Baraingo Valo
03/03/2020
--------
Rohy:
Sokajy : ahy - Alahelo - fiainana
541 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0151