You are here: home > Vetso

MBOLA HO AN'I BAVY - Baraingo Valo

Azo vakiana?



Aza maimaika ny hamaly "Eny"
Raha misy tovolahy te hiaraka aminao.
Fa fantaro tsara aloha ny tanjona kendreny
Hoe tena tia tokoa ve sa fotsiny hilalao?

Koa raha ohatra hilalao dia tonga dia ilaozy
Sahia avy hatrany mamaly hoe "Tsia!"
Aza avela otazany ilay felan-draozy
Sy vonim-boahirana ao am-pon'indria!

...................................................................................
..................................................................................
Ny tovolahy mantsy akia dia tahak'izao:
Tokana ihany no mba faniriany,
Dia tsy inona akory fa ny hisarika anao
Haingana indrindra eny ambony fandriany.
Koa aoka ho mailo fandrao ho solafaka.
Na... Izay tianao e! Fa anatra ny ahy!
Dia mbĂ  hendry tsara! Mazotoa mivavaka
Mba tsy ho mora resin'ny fakam-panahy...

Baraingo Valo

Sokajy : fananarana

Hametraka hevitra

Midira aloha