You are here: home > Vetso

Tsy nanatena kintana aho - Baraingo Valo

Azo vakiana?

Tsy nanatena kintana aho na volana baliaka
Tsy niandry taminao harena be tsy lany;
Fa matoa aho nanaiky ny hiarahantsika
Dia noho ny fitiavana no nahatonga izany!

Koa aoka tsy maninona. Aza miahiahy
Na tsy manana ohatrinona atolotra ahy rahavako;
Fa tsy ny vola loatra no mahasambatra ahy
Fa ny fitiavanao mamaly ny fitiavako...

Baraingo Valo
Avrily 2019

Sokajy : Fitiavana

Hametraka hevitra

Midira aloha