HOAN'I MAMA (Baraingo Valo)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ianao no niasa fatratra
Niala ny fandriana maraina vao madiva,
Tsy nahalala sasatra,
Tsy nahatsiaro reraka raha tsy ny andro no hariva.

Ianao koa tsy kivy
Nitolona isan'andro ireo zava-manahirana;
Fa mainka koa nitsiky
Niezaka nikaroka ny manja sy mangirana!

K'izahay raha tomady
Sy faly sy sariaka ary tretrika sy lanaka,
Dia noho ianao niady
Nisotro ny mangidy noho ny fitiavan-janaka...

Baraingo Valo
2016
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1230 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0099