Ny adin-tsaiko (cedarf)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
tsy hofantatrao mihintsy, izay adin-tsaiko lalina,
raha toa tsy liana ianao;
totofana tsy tafarina,
kanefa novokarina tanatin'ny ora vitsy
ka tsy hitako izay marina.

tsy azonao an-tsaina, tsy ho vitanao lazaina
ny hamaly izany;
dia ny ady izay atrehako,
tsy fantatro akory izay toky reharehako,
fa mafy ho ahy ny miaina.

toa vintana sy anjara no hany fitanisako,
andrasako ho tsara, iriako sy nofisako,
kanefa mbola miery ny tavako hatrizao
ilay andro nantenaiko ho mamy ankaikinao.

fa adin-tsaiko lalina mba tiako hofantatrao,
ilay nifongatra tsy nahy tanaty ny ora vitsy
raha toa ka liana ianao, dia hipitra sy hitranga,
fa "tiako loatra ianao", izay no adin-tsaiko angamba.
--------
Rohy:
1249 0
Hevitra mandeha
Nofy2 ( 29/09/2014 11:54)

Sao tara

Aborahy fa sao dia tara ny fitiavanao azy
Sao variana ny mijery sy mandinika ny ho avy
Aza andrasana ela loatra,be fikenona,fidona
Lazao mazava tsara aminy ary mahaiza mandodona

Tsory aminy ny ao am-po
fa izy angamba tahaka izany
Sao efa nisy tonga aloha
izay ianao vao manontany

Koa lazao fa sao dia tara
Tsory aminy lazao
Fa izy mety tsy mahalala
Sady efa tia anao

Nofy2 06 FĂ©vrier 2007
cedarf ( 02/10/2014 09:47)
eny! marina tsy lainga izay voalazanao, kanefa
ny fasahiko mbola kely, mbola tsy afaka manefa
izay kinasan'ito foko fa dia mandinika azy foana
no mba hery ananako ato, fa ny hiteny: mbola moana.
andry 1000 ( 21/04/2015 06:13)
nefa...mba lazao ihany
fa sao ny fony miandry anao
manantena, anao hiteny
fa izy mety manirery...

fahasahiana hoy enao
no mahatonga anao tsy hilaza
tsoriny aminy ambarao
nofy2 anie tsy zaza e!
fa efa izy no niteny
tsory aminy ny ao ampo.


henjana daholo nareo e!!
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : cedarf
Nampiditra : cedarf
Daty : 28/09/2014 10:47
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0151