You are here: home > Vetso

voninkazo sasatra - cedarf

Azo vakiana?

nitety tany an'ala aho ka nahita voninkazo
kanto sady fatratra,
mamerovero manitra, tsy hinoako hoalazo
mihendri-java-tsoa, kanefa mbola ho sasatra...

miloko mavokely lay felany malia,
satriko otazana,
voatoto-tany ravo, kinanjo, hay lay tia:
zay saika homeko an'azy, lasa, tsy hita ho tazana.

ambany rangolahy, any ampasana mangina,
sy mitoetra am-po, tsy adinoko.
indrisy velo-tsento fa tany ravo anie ry tiana
no sisa niafaran'ilay vatanao nofihiniko.

mandria ampiadanana, tsy hisy ny ambiroa,
fa ny fo amam-panahiko no mbola hitomany.
lay lamba mena nandehanantsika roa
no lasa nisikinanao handao an'ito tany.

Sokajy : Alahelo, embona