tsiahy any alavitra any (cedarf)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
tafatombina eto ambony sezako aho indrisy!
niondrika toa sarintsarin'ny mivavaka;
anatiko ao mandoro sy mirehitra ka vitsy
izay tena herin-tsaina fa toa latsaka ao an-davaka..

tsy mbola nisy mihitsy, na reko fa nitranga!
tsy fantatro ny tenako, fa toa malahelo anao!
misaina an-tsento lalina ka lasa misy banga
ny fiainako, tsy haiko, fa misy fo mitraho.

na vao haingana aza, dia tsaroako dieny izao,
fa sanatria mihitsy, raha ho avy ilay fotoana;
izaho no handeha hanary izay tsiaro taminao,
fa ampy hahatsiarovako f'ianao dia misy foana.

teny avy ato am-poko, lazaiko anao fa marina,
ny satriko eny manko, hahita anao an-tratrako;
tsy nisy kely akory hoe hambo-po nindramina;
fa teny notairina, ho tsiaron'izay fantatro.

malahelo indrisy! misento foana ihany,
miandrandra fatratra ny volana baliaka;
hitati-betsovetso any an-tany lavitra any
mbola hanamafy fa mpinamana, eny isika!
--------
Rohy:
Sokajy : Namana
1358 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : cedarf
Nampiditra : cedarf
Daty : 18/07/2018 04:20
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1545