You are here: home > Vetso

nofy - cedarf

harenako ny nofy
tsy sasatra maniry sy manina ny tsisy,
harena mora miofy,
sy tsy mba mety ho to, fa an-tsaina ihany indrisy.

kanefa anaty nofy
tinazako ao daholo izay tiako alaina ho ahy
olo-tiana ho namana hiarahana mitosy ?
tsy misy mampifila mandratra ny fanahy.

anaty nofinofy tsy misy fitsaharana,
any mihitsy angamba no tena ilazako
fa ampoka tanteraka ny tena fiadanana,
misy ny hasambarana tsy takatry ny saiko.

13 septembre 2013

Hametraka hevitra

Midira aloha