You are here: home > Vetso

tiako mba taterina amin'i - cedarf

tiako mba taterina amin'iny volana iny ny vetsom-po adalako,
ny rediredim-poko mba ho an'ilay malalako
rehefa fenomanana ianao an-tany manireriny;
venteso am-poto-tsofiny hoe tia no ambeti-teniny.

mba satriko hoe tsinapany miohatra zay teneniko
ny fitiavan-dalina soratan'ito peniko,
ny taratrao ry volana ho hitany raha manina;
hitaratra ny dianay mampiaraka milamina.

tiako mba hitovy ny nofintsika roa ry lay malalako ato am-poko
satriko hotakarina ho anao ny volana iny raha sanatria toloko,
atolotro am-pitiavana hanala fahoriana;
anatin'orokoroka sy fihin'olon-tiana.

Sokajy : Fitiavana

Hametraka hevitra

Midira aloha