Alim-pody indray (Rary Nofy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ALIM-PODY INDRAY
Ny asa aty manempotra mameno vazan-trano,
Ny siosikan-drivotra koa mifahofaho milaza angano,
Manambara tsotr’izao hoe “alina indray ianao vao mody”
Fa mbola teritery,mamita ny enti-mody.
Malala a !aza omena tsiny aho
Androany hariva fa alim-pody indray!
Tsy hoe tsy maika ny hahita anao!
Fa terin’ny asa aky ka tsy afaka mankaiza a!
Ny zavatra ataoko ato izao,enjikenji-dava,
Tsy etsy tsy eroa,nefa tsy azo atao kitoatoa.
Zarako sy satriko no hiatsampy an-tratranao
Nefa akory moa ataoko?tsy afaka mankaiza
Fa mikofokofok’etsy,dia miaritr’eto ihany
Na aza mahamay ny akon’antso jay;
Dia tsy maintsy hiafy ihany,sady hanembona anao

Izaho akory raha hoe”alim-pody androany
Dia hoe mbola nanatitra an’I Ranja tany ankadindramamy a!
Sanatria anie izany!
Fa ny hany tena tiako dia ny orokao ihany.

Androany aky aho mbola sempotry ny asa;
Mbola miezaka manao,izay rehetra vonjivonjena
Maro koa ry lala ny asa enjikenjika,sy maintsy hoe atao
Ka aza omena tsiny aho,raha tsy mandray anao a!
Tamin’ny resaka finday;
Fa bedy mantsy raha toa mahatoky tena,
Ny hany ataoko eto izao dia mamerina ny lasa.
Manofinofy anao sady mifofotra mively vy,
Mba hahazoana vola,hampisambaranan’indry.

Aza omena tsiny aho ry tiako
Raha alim-pody anio!
Na vita aza ny asa,ny filaharam-piara koa mazàna
Matevin’izy izao!
Izaho aty am-piasana efa reraka sy goga,
Mbola ventesin’ny sisika koa,rehefa hamonjy lalana hody
Ny lalana malama,ny Erika mipatraka,
Tsemboka avy hatrany ny tena,rehefa sendra mifanosika,
Miampy koa hoe:ny aty analakely no manomboka ny filaharana,
Rahoviana aky aho vao ho tonga any Ambohitrinimanga a!
Ampionony aloha ny fo fa tsy maintsy aho ho tonga,
Na ho ela na ho haingana,fa tsy manao somonga;
Aza manahy fa tsy ho ela aho dia ho tafody fa aza miantso tody.


Rary Nofy
--------
Rohy:
1157 1
Mpakafy: Rijadolle2233
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0175