Ry taniko oh nahoana? - Rary Nofy
Azo vakiana?
RY TANIKO OH NAHOANA?
Mangidy ny taona,ny maso koa tomany,
Ny volana hisaona,fa ho rotika ny tany!
Satria efa voahindrahindra,voapotika ny habaka ombàny.
Ny tany karakaina,miandrandra hamandoana,
Ny hazo mijoala,miandry izay mba hosotroina,
Aiza izao ny rano,hanondraka ny tany?
Ny orana tsy ho avy,ny rihin-drano koa tsy hisy.
Ry taniko oh nahoana?
Nahoana no hisaona izao tontolo izao?
Nahoana no hangina,ity fonenanao?
Nahoana no tsy nisy ny fahasambarantsika;
Dia gaga angamba ianao eh!,
Gaga fa nahoana?
Ny hazo miandrandra ny orana ho tamy,
Ny orana koa mba miandry izay hanintona azy!,
Aiza intsony izao,izany ala maintso mavàna izany?
Efa potika sy rava,satria naripakao,ho fongana.
Ry taniko oh nahoana?
Maro ny marary,lazoan'ny aretina tsy sitram-panafody,
Ny setroka no fohana,ny taoka no nigohana,mandrotika ny aty,
Tsy mahagaga raha,tsy manganohano ny lanitra,izao ankehitriny izao,
Satria ny entona mpanintona no noferantsika,tsy hisy intsony anio.
(...)
Mombamomba
Mpanoratra : Rary Nofy

Nampiditra : Fatals
Daty : 01/11/2017
Mpamangy : 783
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
LEFITRO FOANA Raha toa iINY LALAN'INY Herezo let
HAFA IHANY Vao maty iana
Alim-pody indray
Mandehana sombinaiko
Ankiziny taloha
ANY AMBADIKA ANY!
Tsy hay hadinoina
Any ho any izao
Mizotra mankany