ANY AMBADIKA ANY! - Rary Nofy
Azo vakiana?
ANY AMBADIKA ANY!
Ankamantatra ny ho avy;
Tsy haintsika ho fantarina
Fa miafina dia miafina
Any ambadimbadika any!
Any anaty rahona any
Ilay maraina vaovao
Handrandraintsika sy ianao!
Maraina mbola tsy hay
Fa novetsoina fotsiny
Ho misy ary mbola ho tamy.
Mivadibadika ny segondra
Miova ny minitra manjary lasa ora
Misahondrahondra ny rivotra
Manjary miteraka hatsiaka
Ny antoandro lasa hariva
Ny alina lasa maraina
Ny andro lasa volana
Ny volana lasa taona.
Ankamantatra eny izany,
Fa hay visavisaina!
Ankamantatra ny ho avy,
Anio ianao mba faly
Rahampitso koa ve mbola ho faly?
Tsy voavisavisa fa ny ao ambony
Ny ao ambony ihany no mahalala izany!
Fa ianao tsy mahafantra,tsy mahatsikaritra
Hoe hitomany ianao rahampitso
Ny andro ho avinao mbola any any rahona any,
Mbola mila alahatra,
Mbola mila tendrena
Mbola mila hampifanendrena amin'ny fihodin'ny tany
Fandehan'ny masoandro,fahazavan'ny volana
RaryNofy
Mombamomba
Mpanoratra : Rary Nofy

Nampiditra : Fatals
Daty : 27/11/2017
Mpamangy : 1011
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
LEFITRO FOANA Raha toa iINY LALAN'INY Herezo let
HAFA IHANY Vao maty iana
Alim-pody indray
Mandehana sombinaiko
Ankiziny taloha
Tsy hay hadinoina
Ry taniko oh nahoana?
Any ho any izao
Mizotra mankany