Nampiditra : Fatals
Daty : 08/12/2016 05:40
Nijery : 2390
Tononkalo: 134 Jereo eto
Mankafy : 0 Ankafizo
Hampiditra tononkalo

Rary Nofy

Maharavo ANDRIAMALINARIVO no tena anarako, ary "Rary Nofy" na "Maharavo Andriamalinarivo"no anarana entiko ato amin'ity tranonkala ity;teraka tamin'ny 20 martsa 1995 tany morarano chrome ambatondrazaka aho,ary monina ao sabotsy namehana avaradrano Lot A27 sabnam ankehitriny .fony mbola zaza aho dia efa nankafy namaky boky malagasy indrindra fa ny literatiora malagasy;faniriako hatrizay ny mba ho lasa mpanoratra toa an-dry Ny AVANA Ramanantoanina,teo amin'ny fahakeliko dia efa niboiboika tato anatiko izany aingam-panahy kanefa nanomboka teo amin'ny faha 16 taonako aho vao tena nanomboka nanoratra ,izay angaha vao tena matotra ilay aingam-panahy!
tiako ny zava-kanto malagasy,ary iriako ny hanandratana azy ho ambony dia ambony satria io no maha firenana ilay firenena honenana,ary koa ny maha-izy azy ny olona iray!

fianakaviana sahirana ny loharano nipoirako,ary izany no nipoiran'ilay aingam-panahiko,nizotra tao anatin'ny fahasahiranana avokoa ny fiainana,izany no nahatonga ilay tara-kevitra novetsoiko "ny fahantrana"etsy andaniny anefa dia raha tsy misy ny fitiavana dia toa zava-poana ihany "ny fitiavana";teo amin'ny faha 19 taonako aho dia maty ny reniko ary teo koa no niatombohan'ilay alahelo tsy mety ritra tato anatiko;ka izay no nivetsoiko ireo fahatsiarovana maro toan'ilay hoe "Tsiaro an'i Neny".
Rohy: https://vetso.serasera.org/mpanoratra/fatals
Hevitra farany
Fatals ( 05/01/2017 10:34)
ny fitiavana no lehibe indrandra ka izay no nahatonga ahy niventso ny tara-kevitra momba ny fitiavana!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0176