You are here: home > Vetso

Fahatsiarovana - Frédéric

Toa lasa ny saina
Raha mandinika ny lasa
Rehefa tonga ny maraina
Ny endrikao tsy voafafa

Raha vao mangiran-dratsy
Dia ato an-tsaiko ny endrikao
Tsy afaka ato anaty
Ilay fitsikitsikinao

Midobodoboka ny foko
Tena mila ho lasa adala
Ka ilay sarinao no horoako
Eo an-doham-parafara

Rehefa tonga ny amin'ny roa
Toa matsiaro tena irery
Ka tsy afaka ato an-doha
Ilay endrikao mitsiky kely

Rahoviana vao ho avy ianao?
Ny aina ity toa torovana
Soa ihany fa mbola ao
Ilay sarinao ho fahatsiarovana.

Sokajy : Embona

Hametraka hevitra

Midira aloha