Namana sy Fahavalo (Frédéric)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mpinamana ny olon-droa
Raha mifampizara izay mahasoa
Ka raha misy ady mafonja
Dia mifampizara sy mifampitondra

Fa mpifahavalo kosa
Raha toa ka mifampifosa
Ka voatsikera avokoa
Na ny aoriana na ny ao aloha

Mpinamana ny olon-droa
Raha tsy manao lolom-po
Mifamonjy raha sendra anaty lavaka
Ka mifampitondra amam-bavaka

Fa mpifahavalo kosa
Raha toa ka mifampidi-trosa
Mifandavo sy mifamingana
Mifamono sy mifandringana

Mpinamana ny olon-droa
Raha mifankatia tokoa
Ka raha misy manavesatra
Dia mifampiteny ,mifampiresaka

Fa mpifahavalo kosa
Raha manana saina votsa
Ka tsy mifananatra ,tsy mifanoro
Fa ny ao an-tsainy dia hifamono

Ny olon-droa mpinamana
Dia mifampizara izay ananana
Ka mifanolotra ny mamy
Tsy mifanadino hatrany hatrany

Fa ny olon-droa mpifahavalo
Dia irony manao toetran-dahalo
Tsy mikendry raha tsy handrava
Mifandramatra ,mifampivazavaza

Ka tsy natao hiara-dalana
Ny mpifahavalo sy ny mpinamana
Ny iray fankahalana
Ny hafa kosa fiarahana
--------
Rohy:
Sokajy : Fifandraisana
1618 1
Mpakafy: SederaMioty
Hevitra mandeha
SederaMioty ( 13/06/2017 19:37)
tsara lay tononkalo
marin daolo ny ambarany
mankaSitrak e!
hfrantonah ( 18/06/2017 09:20)
tena zany mitsy!
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Frédéric
Nampiditra : hfrantonah
Daty : 13/06/2017 16:08
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.015