Ny Teniko (Frédéric)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Nataoko ho anao ry teniko;
No nandroatan'ity peniko;
Teny tsara ,tsy mba misy tsiny;
Nefa atakalon'ny hafa teny vahiny.

Indrisy ilay teniko mahantra;
Itsahan'ny olona ,tsisy mpihantra;
Zary sombintsombiny foana no ifampiresahana;
Fa ny teny vahiny no tena mahazo vahana.

Malagasy ô! mitongava saina dia mifohaza;
Ny teninao aza avela ho lefy laza;
Aza avela hipirina ,aza avela hipetraka;
Ndeha izy no ampiasaina rehefa hiresaka.

Tsy ratsy ange ny mahay tenim-pirenena e!
Na dia izany aza ,mba jereo ihany koa ny an'ny tena;
Aza mitsanga-menatra fa sahia mijoro;
Ny tenin-drazantsika aza avela hikoro.

Misy aza moa ,mba mipetraka any am-pita!
Dia ny tenin-drazana avy no hodiana tsy hita;
Raha mahatsapa tena ianao fa hoe "Malagasy";
Dia ataovy ao an-tsaina fa ny teninao tsy ratsy.

Rehefa mba mahita soratsoratra sy hafatra;
Dia fanafohizan-teny ,tsy hay mamantatra;
Fa maninona raha atao amin'ny teny feno?
Amin'izay finaritra ny mpamaky sy ny mpihaino.
--------
Rohy:
1248 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0099