Zanaka sy Ray aman-dReny (Frédéric)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Olona tia mananatra
No sady mazoto mampianatra
No antsoina hoe Ray aman-dReny

Mikiry ny hanatsara
Ireo taranaka amam-para
No tanjona kendreny

Malahelo izy raha mahita
Ireo zanaka maditra
Ka mila ho vaky fo

Tsy afaka ao am-pony
Isan'andro toa tsaroany
Ilay zanaka tsy mpankato

Faly kosa izy raha mahita
Ireo zanaka tafita
Ka mila hanaka-danitra

Haravoana tsy omby tratra
Lasa tsiky ity ilay ratra
Tena faly ka finaritra

Mba inona re hoy ny zanaka
Rehefa mba mananatra
Ireo nahitana masoandro?

Ataony toy ny vazivazy
Ny anatra atoro an'azy
Ka lazainy fa mandany andro

Tsy izany velively
No atao valim-babeny
Fa aoka re mba fahendrena

Mba tolory fitiavana izy
Dia aza avela ho kivikivy
F'izany no tena valim-babena

Ny anjara toeran'ny zanaka
Dia ny mba manaraka
Ireo anatra sy teny

Fa raha vitanao izany
Dia ho lasa tsiky ireo tomany
Ao anatin'i Dada sy Neny.
--------
Rohy:
2747 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Frédéric
Nampiditra : hfrantonah
Daty : 18/06/2017 16:41
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0629