Ditraditra (Frédéric)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ry namako tanora
Efa tonga ity ilay ora
Avelao ny ditraditra

Kolokoloy tsara
Izay mety iafaràna
Fandrao hipitrapitra

Izao androntsika izao
Dia tsy miafina aminao
Fa tonta sady ratsy

Izay iafarana hevero
Ireo adalana aneneno
Fa sao angasihasy

Tsy hoe miana-kendry
Na hoe mandrebireby
Fa teny avy ato am-po

Jereo ireo ray aman-dreny
Fotsy rora raha miteny
Ka miangavy an-tanan-droa
--------
Rohy:
Sokajy : Fananarana
1220 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0137