Nahoana ianao no tonga teto an-tany? (Frédéric)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy sitraponao velively
Ny ho tonga eto an-tany
Fa i Dada sy i Neny
No nahatonga an'izany

Misy antony ihany koa
Matoa ianao nigadona eto
Na ho ratsy na ho soa
Na ho mafy na marefo

Tsy mba hevitrao akory
Ny ho tonga eto an-tany
Noho izany dia hotrony
Izay miseho, na ho mangidy na ho mamy

Ka raha sendra ady mafy
Dia fadio ny hamono tena
Ianao ange mbola ho faty e!
Fa ny ho avinao aloha jerena

Alenteho anaty saina
Fa ianao tsy very anjara
Mbola ho avy ny maraina
Ahitanao ireo tsara

Ka raha tonga eto ianao
Dia mba misaina kely
Fa raha misy tiana atao
Teneno dada sy neny
--------
Rohy:
Sokajy : fampiononana
1198 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Frédéric
Nampiditra : hfrantonah
Daty : 18/06/2017 18:19
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0144