You are here: home > Vetso

NOFIM-PITIA - Hanitr'i NP

Ireny rotsim-pitiavana,
narahin-kalo nitomandavana,
zary namelovelo anaty,
nampanembon'ahy tsy satry!
.
Ireny safosafo an-teny mamy,
langolango mpamafa ny tomany,
zary mpanafaka ireo gadrako,
nahamaimaina koa ny ratrako!
.
Ireny nofim-paniriana,
narahin-tsarim-piangotiana,
zary banga nampanembona,
foana mantsy ka indrisy,
namerina ireo kalisy toa zary monja nofy nampievona!
.
#Hanitry_NP ®

Hametraka hevitra

Midira aloha