IZAY HO ANJARAKO (Hanitr'i NP)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Te hiteny aho,te hilaza
Hoe tsy tiako intsony ianao,
Nefa toa lelonn-jaza,
Mantsy tena tiako tsotr'izao!
.
Te hangina aho,te hianjona
Tsy hisaina intsony ny aminao,
Nefa am-poko ianao no tanjona,
Tiako hiaarana hatrizao,
.
Te hiantsoraka aho,te hiantsampy,
Hikipy,tsy hisaina izay hiafarany,
Nefa tsy mba manana ny ampy,
Ka sao ho tong'amim-pisarahana!
.
Dia mihazohazo ilay fitiavako,
Mivenjivenjy toa very dia,
Izay nifanojo nefa toa nania ka tsy haiko intsony izay ho anjarako!
.
® 12 Mar 2019
--------
Rohy:
847 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Hanitr'i NP
Nampiditra : noordallo
Daty : 12/03/2019 15:49
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0145