ILAY FITIA NOVONOIKO (Hanitr'i NP)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Voatery aho maneho ny hany hambom-poko,
Na dia saron-tava ihany mb'hanafenako toloko,
Hodiako tsy hita ianareo rehefa mampiaraka,
Mantsy izaho sy ianao tokoa ilay efa nisaraka,
.
Voatery aho niezaka Sy mba nifofotra,
Nefa ny any am-poko tra-boina sy tototra,
Minia mamono tena amin'ny asa fivelomana,
Hany hitako ho tena herim-pitolomana,
.
Voatery aho maneho ny hany hambom-poko,
d'ilay saron-tava fanafenako toloko,
Nosalorako hatrany mba tsy ho tazanareo,
Ny alahelo sy hiakako miaro toreo!
.
Eny!
Voatery aho maneho ny hany hambom-poko,
Voatery satria tsy mety maty,
fa mandrovitra ny aty,
... ilay fitia novonoiko!
.
#Hanitry_NP ®
--------
Rohy:
1035 3
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Hanitr'i NP
Nampiditra : noordallo
Daty : 13/01/2019 05:22
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0101