TSY HAIKO! (Hanitr'i NP)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy haiko akia ny hangina ka intsony tsy hivetso,
mantsy ianao ry tiana zary lavitra ahy hatreto!
Foana aho nanary dia, mba niezaka hanamaivana,
Ilay hirifirin'ny fitia toa mihoatra noho ny aizana.

Tsy haiko akia ny hamily ka hanandrana hamefy,
Izany eritro mitily noho ny hanina tsy lefy
Indrisy tsy mba mino ny zava-misy teo fahiny
Fa toa tsy mety ny hanadino iny fitiavantsika teto iny.

Tsy haiko akia, tena tsy haiko fa dia miady aho isan'alina
Mahatsiaro reraka ny aiko mikaroka, mandalina
Fa nahoana no tsy vitako ary izany hoe hanadino anao ?
Nahoana ianao no tsy naharary raha nanolo olon-kafa vaovao ?

.
#Hanitr_i_NP ®
--------
Rohy:
711 0
Hevitra mandeha
hery ( 27/07/2019 19:13)
Io ilay fanontanian'i JJ Goldman hoe
"Nahoana no izaho no nandeha rà fa tsy ianao" (Pas toi)
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Hanitr'i NP
Nampiditra : noordallo
Daty : 24/07/2019 07:12
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0098