NY TANIKO AMIKO (Hanitr'i NP)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tanindrazana,
Novolain'ireny lasan-ko razana,
Ankehitriny zary ngazana,
Mihafoana!
Toa mihakonka babangoana,fa nahoana?
Satria ve ravan'ny fotoana?
Mantsy ny hafa toa mihamandroso,
Ny ahy toa zary mikoroso,
Rahoviana vao ho loso,
Rafivoarana,
Efa tazana nanarangarana,
Saingy tsy hita hifaharana,
Tsy tratra hosantarina!
Fa...Mantsy ny toen-tsaina,
Ngamba efa mihintsy novolavolaina,
Ho samy fetsy tsy ho ambakaina,
Ty tena tsy ho hita andrandraina!
ka dia niova filamatra,
Ny fomban'ny hafa zary nosokajiana ho fatratra
Ireny soa toavina natao an-tatatra,
Ny omaly sy ny ho ampitso:ankamantatra!
Rafihavanana?
Ny ory zary tsy havan'ny manana,
Tanindrazako efa antitra tsy mety intsony hotantanana,
Omby mahia hono tsy lelafin'ny namana!
Ny raha avy amin'ny fahendren'ny Ntaolo?
Efa zary nasitrika fa toa diso haolo,
Harena,
an-tanety sy ankibon'ny tany izay nomena,
Indrisy toa nanjavona nanarak'ilay fahendrena,...
Ka na ny fatahorana ilay Nahary,
Ihany koa toa zary,
Voafafan'ny ariary!
.
#HanitryNp
--------
Rohy:
Sokajy : Tanindrazana
875 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Hanitr'i NP
Nampiditra : noordallo
Daty : 07/01/2019 22:23
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0105