You are here: home > Vetso

SATRO-BONINAHINY - Hanitr'i NP


SATRO-BONINAHINY,
.
Tsia an!
Solafaka ianao fa koa mba mandia tany,
Aza mamoifo akory ka aza tomany,
Mitsangàna,raiso ny tanako hanampy anao,
Mijoroa ,mitrakà dia meteza ka'ndao
Meteza fotsiny fa raisiko ho ahy,
Izaho nahalala ka tena sahy,
Sahy hitsimpon'iny satro-boninahitra,
Nisy  nanilika an-tery tan'ahitra,
Avelao hangasihasy sy hisafoaka,
Hirediredy irery imasom-bahoaka,
Ilay nahavita nanasoketa,
Nahavanona nandatsa sy nametaveta,
F'ataoko tokoa amim-pomba mendrika,
Tsy hisy ahatsiahy akor'ianao ilay rendrika,
Satria izaho mihintsy no hamerin'azy
Amim-pampakarana anao  mariazy!
Mitsangàna,raiso ny tanako hanampy anao,
Mijoroa ,mitrakà dia meteza ka 'ndao
Hamoronako lapa iray vaovao,
Ka ianao,eny ianao no ho Mpanjakavavin'ny foko,
Fafao amin'izay ny ranomaso--toloko,
Dia hisaory ka derao ilay Ray be fitiavana,
Nanao izay hiaonantsika roakely rahavana.
.
#HanitryNP

Hametraka hevitra

Midira aloha