TSIAMBARA-TELO (JERY)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TSIAMBARA-TELO
.
Tsy vitan'ny saina ny tsy mba hivily
Raha toa tafandalo ity vohi-nitäna
Na dia efa rodan'ny raki-tadidy
Ny fisian'ny lay olona fiantso hoe:"malala"
.
Malemy tsy satry raha izay ambom-po
Mamakivaky ity lala-niraisana fahiny
Tsy vitan'ny mierika in-dray na in-droa
Toa satry hitombona haka toerana mihitsy
.
Tsy eken'ny saina ny hamono ny lasa
Ny fery miafina anaty,misoko
Fa izy na efa any an-tanan'ny hafa
Toa mbola mandoro ao anatin'ny foko
.
Na mamy toa inona aky ny anio
Tsy ampy hitaha ny antsika taloha
Ka tehirizo tsara ary tena fadio!!
Ny hikosoka izany ao anatin'ny fo
.
Fa tsiambara-telo..-tsika..."malala a"...
.
JERY
--------
Rohy:
1175 1
Mpakafy: landryjery
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : JERY
Nampiditra : landryjery
Daty : 18/05/2017 05:54
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0752