IMPIRY (JERY)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
IMPIRY
.
Efa impiry no nahatsapako fangirifiriana
Impiry aho no miondrika dia latsa-tomany
Efa impiry narindriko ny foko hangina
Fa raha sendra izay tiany dia misisika ihany
.
Efa impiry no niaretako ady mafaitra
Namoizako ny heriko iray manontolo
Efa firy izay ny teo no namela takaitra
Fa mbola io ihany ny foko mijoro
.
Efa impiry voadona aho tamin'ny tiako rehetra
Impiry voafitakin'ny fo mpamosavy
Efa impiry naratra ny foko kanefa
Vitako foana ny nampihonona azy
.
Efa impiry aho no saika ho tofoka sy leo
Hamongotra ny fitiavako hatrany amin'ny fakany
Zay vita sy lasa efa tapitra hatreo
Inoako f'ianao no impiri-ko farany
.
JERY
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
542 1
Mpakafy: landryjery
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : JERY
Nampiditra : landryjery
Daty : 19/01/2022 23:08
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0137