You are here: home > Vetso

MISAOTRA - JERY

Azo vakiana?


.
Misaotra tamin'ny vita,ekena fa tsy anjara
Misaotra fa efa betsaka ny zavatra natao
Misaotra namela tsiaro voarakitra tantara
Misaotra fa maratra izao 'lay fo nilaozanao
.
Misaotra tsy nanafina fa tena tsapako mazava
Misaotra nampahory ny fo tsy manan-tsiny
Misaotra fa voaray na dia tsy tenenina aza
Misaotra fa tena itako ny nifanorohanareo iny
.
Misaotra fa tsy hidongy ny efa misy tompony
Misaotra na dia aloka no sisa mba tavela
Misaotra nanaiky mora fa nitsapatsapa fotsiny
Misaotra fa nody maina ny tia mba nanantena
.
JERY

Mombamomba

Mpanoratra : JERY


Nampiditra : landryjery
Daty : 19/01/2022
Mpamangy : 131
Mankafy : 1

Tononkalo hafa

IMPIRY
Tiako raha mba tsapanao
SOA IHANY - JERY
NIEZAKA
AFERO
Eee...
KAMO
TSY INONA AKORY
TSY MISY
ALOHAN'NY