You are here: home > Vetso

AFERO - JERY

AFERO
.
Ny afero mangidy miaro sakay
Iaretan'ny vava sy azo kiriana
Fa ny afero naidin'ny foko ao indray
Tsy ho telin'ny saina na oviana. na oviana
.
Ny foko nipirina nanafin-tomany
Niezaka niafina,nikobona fery
Fa ny tsiky sinarony fombany ihany
Ny marina ratra no ambadik'ireny
.
Ny afero nahidin'ny ora tsy nampoizina
No nandevina ho vovoka ny androko sisa
Asa ny niaviany f'izaho tsy hanozona
Aleo aho hiala fa tsy anjara ny antsika
.
JERY

Sokajy : Fisarahana

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mombamomba

Mpanoratra : JERY


Nampiditra : landryjery
Daty : 26/01/2018
Mpamangy : 460
Mankafy : 1

Tononkalo hafa

Tiako raha mba tsapanao
SOA IHANY - JERY
NIEZAKA
Eee...
KAMO
TSY INONA AKORY
TSY MISY
ALOHAN'NY
SORATRO
ANGAMBA