Voatoninao (JERY)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Voatoninao

Voatoninao aho ka nahatsiahy
Ny lasako nomban'ny ditra
Ny redirediko hatrizay
Ny fitiavako sy ny sisa...

Voatoninao aho ka nahatsiahy
Ny hadalantsika ry tiana
Ny fangalarana fanahy
Ny fahasambarana fahiny

Voatoninao aho ka niherika
Hay ve ka sodisody
Ireny lasa rehetra rehetra
Dia fahazazana tsy hipody

Voatoninao aho ka nisento
Ny navelanao ho ahy
Ny hany sisa mba reko
Ny anatiko mangahiahy
JERY
RAKOTOMALALA Tsiriniaina Landry
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
921 1
Mpakafy: landryjery
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : JERY
Nampiditra : landryjery
Daty : 24/06/2015 11:02
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0142