You are here: home > Vetso

Vavaka - Mandefitra

Tompo o,vokiso hani-mahasoa ty fanahiko efa trotraka
mitady zay mba hitsaharany
Ny eo anilanao dia soa, im-piry moa no efa potraka
Raha nivily zato lalany ?
Soa Ianao mpamindrafo, Soa Ianao fa mpampahery
Tsy nijery ny hadalako
Ka dia mionona ny fo, eny sitrana ny fery
Voadio hatramin’ny fahotako

Ny ampitso zay tsy ahy,apetrako eo an-tananao
Mba ho tena lavorary
Ny tahotra aman’ahiahy,mitalaho ny zanakao
Levony ireo mba tsy hanjary
De toky sy fanantenana, sy ny hira fiderana
Ny haleloia sy hosana
Ho tonon-kirako tsy miato miandry ny hiverenanao
Henoy ny hantanjanakao!

Amen

Sokajy : Fanantenana

Hametraka hevitra

Midira aloha