HANAKENDA ELEFANTA (Miarantsoa Anicet)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
HANAKENDA ELEFANTA
Nisy vitsika an-kiray
Niakatra hankenda
Ny tendan'elefanta.

Nisy vitsika am-polo
Niakatra hankenda
Ny tendan'elefanta

Nisy vitsika an'arivo
Niakatra hankenda
Ny tendan'elefanta.
.
.
.
Nisy vitsi-tsitaisa
Niakatra hanakenda
NY tendan'elefanta.

Kanjo...nahifiny ny loha
ka nipitika avokoa
Ireo vitsi-tsitaisa,
Ary ireo nipitrapitra.

Fa 'lay vitsika an-kiray
No sisa mba nangay,
Hany sisa hankenda
Ny tendan'elefanta.

Hoy ny namanay ihany
Mijery ety ambany:
"Adaboy leity a!
Kendao de adaboy!"
MIARANTSOA ANICET
Itaosy Antananarivo
--------
Rohy:
Sokajy : Fiainana - Ady
1817 1
Mpakafy: Miarantsoa
Hevitra mandeha
vetsoko ( 11/08/2006 11:12)
mission impossible no lohatenin'io tononkalo io
rahonala ( 14/08/2006 04:34)
Matsiro leizy le
helitiana ( 01/10/2006 18:54)
amin'ny maha-izaho ahy,dia tsy takatry ny saiko mihitsy ny vontoatin'ity tononka
helitiana ( 01/10/2006 18:57)
averiko fa tsy tafita tery ambony,tsy takatry ny saiko mihitsy ho aho ny vontoatin'ity tononkalo ity,tsy hoe ratsy akory fa mampiasa saina be loatra,tokony mamorona angano ianao na sahala am'izany
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0257