You are here: home > Vetso

MANOLOANA NY SARINY - Miarantsoa Anicet

Azo vakiana?

Mitsikitsiky ery izy!
Toa olona tsy manan-tsiny.

Lafatra indray iny!

Nampiova azy lay sary.
Eny e! Sary koa moa!
Sary... Tsy nahatsapako
Izay tena refin'ny fitiavany.
Fa ny hitako teo dia ny tavany...
  Kanto.

Ny vatany...
Miraika moramora  
No milaza azy ho fatsora...
Milaza azy ho mpilalao fitia!

Eny ho'aho akia!

Rahoviana ihany letsy
Vao ho tapitra, ho fongana
Sy mba hitotongana
Ny fitia zay fetsifetsy?

Miandry foana aho... Manoloana ny sariny.
Miandry azy aho... Manoloana ny rariny.


MIARANTSOA ANICET

Hevitra mandeha

kiriah (09/06/2012 13:39:35)

hummmm ! , hafa kely njay iny . aok izay ny sariny fa mba manoloana azy am izay aza e !.

Hametraka hevitra

Midira aloha