You are here: home > Vetso

TENA FITIAVANA - Miarantsoa Anicet

Azo vakiana?

Kimpantsona maneno…
Siny tsy mba feno…
Tsy manana fitiavana…
Tsy fantatra izay havana…

Miteny toy ny Anjely…
Mitory sy manely
Ny tenim-pahasoavana…
Saingy…Tsy manana fitiavana.

Mahalala zava-miafina,
Mamantatra ny takona,
Anefa dia holavina
Raha tsy manana fitiavana.

Mamindra fo tokoa,
Manao izay asa soa ,
Tena be finiavana …
Saingy tsy manana fitiavana.

Izany rehetra izany ,
Sy ny lanitra sy tany,
Sy ny orana sy avana
Ho lo …fa ny Fitiavana

Haharitra ho doria.
Fitia tena Fitia…
Satria ny tena goavana:
Fitiavana! Fitiavana.
              
                    MIARANTSOA ANICET

Sokajy : Fitiavana

Hametraka hevitra

Midira aloha