You are here: home > Vetso

FATY - Miarantsoa Anicet

Azo vakiana?

            FATY
Ny anay ny faty ohanina
Fa tsy alevina any izany .
Raha 'zay fasana amboarina
Ts'hahantana ny hadalany.

Ny anay na velona aza
Alevina eto foana.
Na hitroatra ...Hivazavaza
Dia tsy afaka mimaona.

Tsy asianay fandevenana
Na fiaretan-tory.
Tsy misy fiambenenana
Na kalokalo akory.

'Zany voninkazo izany
Dia nofinofy adala.
Tsy misy koa tomany
Amin-tsiky ianao manala.

Ny anay anie ny faty
Ka azonay baikoina e!
Raha sendra manabaty
Dia azonay vonoina.

Raha misy ilana azy
Dia azonay atsangana.
Raha toa mamazivazy
Dia vonoina ho tarangana.

              MIARANTSOA ANICET  

Sokajy : embona

Hevitra mandeha

kiriah (17/05/2011 18:47:52)

tsara rindra saingy tiko ho fantatra hoe inona ny hevitra fonosiny

Miarantsoa (19/05/2011 18:46:39)

Kiriah>Misy ny olona nandao eritreretina foana hoe velona ao am-po sy ao an-tsaina, tsy voasakan'ny fasana; misy indray ny velona mapi-te handevina ihany koa, tsy any am-pasana fa...

Hametraka hevitra

Midira aloha