You are here: home > Vetso

FITIA FAHAZAZA - Riantsoa

Miaraka eny an-dalana, someby aok'izany
Mifampitositosy sy mifananihany
Tsy mihontsona akory ny ao anatiko ao
Eh! Fitia fahazaza; nataoko kilalao

Rehefa mba mitafa mitokana irery
Ny andaniny mandà, ny ankilany manery
fa amin'ny herinandro no atao ny mariazy
Fitia fahazaza; eh! nataoko vazivazy

Indreny fa midola andeha hamonjy tsena
manopy maso kely ny fivarotan-kena
Avy eo mitanjozotra mandroso ny Hotely
Eh! Fitia fahazaza; fitiavan-jazakely

Raha tonga ny alahady; indreny izy ireny
"Ianao mankeny ambony, izaho eo amin'ny Neny!"
Dia mifanopy maso mandritry ny fotoana
Fitia fahazaza; eh! adaladala foana

Tsaroako izany lasa, mandona ny aty foko
sinikotra anaty pejipejy maro loko
Tantara ihany ireny; vinany tafatoetra
Tamberina sy tsiahy ny lasa rehetra rehetra

Hevitra mandeha

rainstorm (14/10/2010 14:17:33)

Fahatsiarovana mipetraka tsy mety voakosoka ao an-tsaina ny lasa

kiriah (14/10/2010 17:09:52)

misy olona tsarovako amin io tonokalonao io, misaotra betsaka

Hametraka hevitra

Midira aloha