EMBONA (Riantsoa)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Miako masiaka ao anatin’ny foko
ilay sioka malefaky ny embon’indriako,
manaitra ambiroa sy mandreda misoko
ny afo narehitr’ilay faniriako!

Dia satriko ihany ny hitazana foana
iry sila-bolan’ny aliko lao,
mandefa vinany hitety ny havoana
hihazo ny lala-mankany aminao.

Kanefa rahampitso tsy maintsy hangina
‘ty foko maditra nozarim-binany,
hanjary hangaina ilay aliko sina
mihazatra manisa ny fihodin’ny tany.

Maninona kosa raha toa ka alaiko
ho ahy samirery ravolana iry?
dia eto aho sy ny aliko miampy ny saiko
hivetso hasambarana, nofim-pitia.

Mba tiako, eny, mantsy ny akaikinao
fa eo fenomanana ireo faniriako;
f’anio aho aloha avelao amin’izao
mandra-piveriko akaikin’indriako!

RIANTSOA (05/05/2012 23:00)
--------
Rohy:
Sokajy : embona - Fitiavana
1974 0
Hevitra mandeha
ambinimiary ( 27/08/2012 10:23)
mahafinaritra e!!
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0137