FANEVAM-PITOLOMANA (Riantsoa)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Injao fa reko, injao
ilay hobim-pandresena,
mitraho aoriako ao
vahoaka sesehena
mihiakam-pifaliana…..
hihoraka aho sa tsia?
tsia, SANATRIA!

Fa aina firifiry
no niezaka nikiry
nanao vy very ny ainy
ho an’ny fireneny?
mba saino ange ireny!
jereo ny rà nandriaka
izay an’ny razantsika;
ilay tolom-pahafahana
nahazoana sy nananana
ny fahaleovan-tena.
Aiza izany izao?

Raha mbola misy koa
mpangorona harena,
mpambotry firenena
izay tsy misaina akory
fa betsaka ireo ory,
taraiky sy mihitsoka
anaty fahantrana;
ny hohanina anio
tadiavina rahampitso;
isan’andro izao
lazain’ny vaovao
ireo loza sy atambo,
f’ireo tsy manan-tsiny
no atao haza lambo
tsy misy andraso andraso,
kanefa ireo malaso
miadana aok’izany….
Dia mbola hitohy hatrany
Ny tolom-panafahana.

Na vitsy na ho maro
ireo sisa sahy hiaro
ny hitsiny sy rariny,
izaho tsy ho azo ferana!
Na ho potika tarangana
ireo hery ianteherana,
izaho mbola hitsangana
hijoro foana hatrany
am-parafofonaiko;
ny foko sy ny saiko
atolotro ho sorona
raha toa ilaina izany!

Fa any am-parany any
raha toa aho ka hihiaka,
tsy noho ilay fandresena,
f’izany dia hidika
fa vitako ny toloko!

RIANTSOA (20/04/2012)
--------
Rohy:
1240 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0278